Loïc Lapoussin

Andrandraina fatratra


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Raha ny fandaharam-potoana efa nampahafantarina moa dia anio

alatsinainy no ho tafaraka amin’ireo namany eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara ireo lohalaharana mirahalahy milalao amin’ny divizionina voalohany any Eoropa. Eo i Hakim Abdallah, izay ao amin’ny Dinamo Bucarest, Romania, sy Loïc Lapoussin, ao amin’ny Royal Saint Gilloise, Belzika. Ity farany izay heverina fa tena andry andrandraina fatratra mandritr’ireo lalao miisa 2 hihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Kaomoro sy 7 jona izao sy amin’i Mali, 4 andro aorian’izay. Tena nisongadina sy nahavita zavatra goavana i Loïc Lapoussin, raha ny fifaninanam-pirenena belza tamin’ity taona ity no ambara, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny kliobany, ary tsy tamin’izay ihany aza no nisongadinany fa tena nanehoan’ny talentany indrindra ny fifaninanana eoropeanina na Europa league. Izy izany izao no Barea lafo indrindra eo amin’ny tsena iraisampirenena satria dia niampy 1 tapitrisa Euro tao anatin’ny 6 volana izany tombam-bidiny izany ao anatin’izao faha 28 taonany izao. Raha 3 tapitrisa Euros izany teo aloha dia efa 4 tapitrisa Euro kosa ankehitriny. Ny hirariana hatrany moa ny dia mbola hahalasa lavitra azy kokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT