Lisitry ny Barea

Nanampy mpilalao vaovao, nahena ny avy eto an-toerana


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manditra ny fanomanantena izay tafiditra ao anatin’ny varavarakelin’ny fifa ny 2-9 jona. Ny 08 jona kosa dia hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipampirenena’i RD Congo ny Barea, lalao izao ho tanterahana any Orléan. Raha ny tsikaritra ao anatin’io lisitra io dia nihena ny isan’ireo mpilalao avy eto an-toerana. Nanazava ny anton’izany ny mpanazatra Corentin Martins ary nilaza fa noho ny fahitana ireo mpilalao izay heverina ho mendrika any amin’ny kliobany no niantsoana ireo mpilalao mila ravinahitra ireo. Efa nisy ihany koa hoy izy ny fifampiresahana tamin’ny Mpanazatra ny Coach RORO ka nifanarahana ny tsy hakana betsaka amin’ireo mpilalao avy eto an-toerana manomana ny Chan sy ny cosafa. Nohamafisiny ihany koa fa tsy manidy varavarana velively amin’ireo mpilalao avy eto antoerana akory ny tenany fa misy hatrany ny fiaraha miasa sy ny fifanampiana satria hoan’ny kitra Malagasy no antony nidirany ho mpanazatra ny Barea. Momba ny ho avin’ny Ekipam-pirenena amin’ireo lalao ambiny ao anatin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboara era-tany indray dia nanamafy ny mpanazatra ny Barea fa mbolaz manana fanantenanan isika. Tsy misy azo atao ambaninjavatra ireo lalao tafiditra ao antin’ny andro faha 7 sy faha 8 izay ho tanterahana ny volana septembre izao. efa tsara ny endri-dalao nasehoan’ny barea nandritra ny fihaonana tamin’ny Ghana sy Centrefrique farany teo ary vonona hatrany hanome mihoatra izany ny mpilalao. Efa nijerena ihany koa ireo pitsony izay niteraka faharesena hoantsina tamin’ny fihaonana tamin’i Ghana.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT