Sport

Lisitra menan’I Grande Bretaigne Tsy voakasika i Hery Bastien


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Mangataka fanibohana manokana na « exception de quarantaine » ho an'ireo mpilalao Afrikanina hamonjy lalao iraisam-pirenena amin'ny governemanta britanika, izay iraisan’I Angletera,

Pays des Galles, Ekaosy, Irlandy avaratra ny kaonfederasionina Afrikanin’ny baolina kitra. Ny ankamaroan'ny firenena Afrikana dia tafiditra anaty lisitra menan'i Grande Bretagne ka izay mpilalao avy mivahiny amin'ireo firenena ireo dia tsy maintsy manao izay fihibohana 10 andro izay rehefa tafaverina any Grande Bretagne. Isan'ny voakitik’izany ny mpilalao senegaley, Sadio Mané, ny mpilalao egiptianina, Mohamed Salah, izy mirahalahy ireto moa dia miara-milalao ao amin’ny klioba divizionina voalohany anglisy, Liverpool FC. Isany koa ilay mpilalao alzerianina ao amin’ny Manchester city FC, Riyad Mahrez, izay mbola klioba divizionina voalohany anglisy hatrany. Azo lazaina ho difi-janahary kosa ny tsy naha voakasika ny mpilalao Malagasy, Hery Bastien, izay milalao ao amin’ny divizionina voalohany Irlandey dia ny Derry city any Irlande avaratra. Tsy ao anaty lisitra menan'i Irlandy rahateo na I Madagasikara na I Tanzania izay hivahinianany. Mampahatsiahy ny seho tamin'ny volana martsa lasa teo mikasika ireo mpilalao mpifaninana tao amin’ny Ligue 1 sy Ligue 2 tany Frantsa ny tranga.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT