Sport

Lionel Messi Nilaozan’ny « Bus » mpitondra ny Barça


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Rehefa tsy mety izay tokoa ny atao dia tsy mety.Sady efa resin’i Liverpool 4-0 ny FC Barcelone ny alarobia alina teo no mbola adinon’ny “Bus”

 

 

 

 

 na ny fiarabe mpitondra ny ekipan’i Barça ingahy Messi. Tena hoe taraiky araka ny fomba fitenenana. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao dia efa boda angamba ny lohan-dry zareo Espaniola ka nanao tongotra an-katoka namonjy fiara, tsy an-kijery izay tsy tao. Ny fandaharana El Chiringuito izay mpandeha amina fahitalavitra Espaniola iray no nitatitra ity vaovao hafa kely ity taorian’ny lalao nifanandrinan’ny Reds sy ny Barça. Raha ny fantatra ihany dia tsy maintsy mbola nandalo fitsirihana na « contrôle antidopage » i Lionel Messi. Lasa tsy niandry azy ilay fiarabe nitondra ny mpiara-milalao aminy sy ny delegasionin’ny FC Barcelone rehetra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT