Lionel Messi, 39 taona

afaka andro vitsy


  • Alakamisy 18 Jona 2026

Mbola nanoratra tantara goavana indray

Tsy mitsahatra manoratra tantara eo amin'ny tontolon'ny baolina i Lionel Messi izay handray ny faha-39 taonany ny 24 jona 2026 ho avy izao. Maneho sy manamafy ny maha mpilalao baolina kitra isan'ny mendrika indrindra eto ambonin'ny tany azy. Nampitolagaga izao tontolo izao indray ny zava-bitany nandritra ny lalao voalohany nifanandrinan'i Argentine sy Algérie satria nanamontsana 3-0 an'ity solontena Afrikanina iray ity ny Albiceleste, ka i Messi avokoa no nampidi-baolina. Saika baolina 5 aza no matiny fa "hors jeu" ny iray ary nidona tamin'ny tsivalamby ny iray. Nisy ny nanombatombana ary tao ny nanenjika an'i Lionel Messi fa tsy hahahovoka intsony amin'ity satria tsy eo i Di Maria izay isan'ny mpilalao nahay nanolotra azy, saingy miharihary fa mbola andry iankinan'ny Albiceleste ity kapiteniny ity, ary tsapa ny fiaraha-mientana ao anatin'ny ekipan'i Argentine hiaro ny anaram-boninahitra izay izy ireo no tompondaka farany. Raha ny tantara, ny 16 jona 2006 no nanoratra tantara tamin'ny famonoam-baolina voalohany ho azy tamin'ny Mondial i Lionel Messi, nandresen'i Argentine 6-0 an’i Serbie. 20 taona katroka taty aoriana, ny 16 jona 2026, nanao ny lalao faha-200 miaraka amin’i Argentine, nahavita "hat-trick", baolina 3 nanoloana an’i Alzeria ka lasa mpamono baolina be indrindra mitovy isa amin’i Miroslav Klose (16) amin’ny tantaran’ny Mondial. Lalana lavitra no efa nodiaviny, izay nanaovany lalao 200, namonoany baolina 120, nanaovany tolotra niaraka 61 tamin’ny Albiceleste. Iray amin'ireo mpilalao nahazo anaram-boninahitra betsaka indrindra niaraka tamin'i Argentine: Mondial U20 tamin'ny 2005 izay izy no mpilalao mendrika indrindra (MVP), tompondakan'ny lalao Olaimpika 2008 (MVP), Copa America 2 (2021, 2024), Finalissima 2022, amboara eran-tany 2022. Tsiahivina fa efa niala tamin’ny ekipam-pirenen'i Argentine i Messi taorian’ny Copa América 2016 naharesen'izy ireo nanoloana an'i Chilie, saingy niverina indray volana vitsivitsy taty aoriana. Tamin’ny 4 septambra 2025, nanao fanambarana ofisialy indray izy fa hitsahatra taorian’ny faharesena 3-0 nanoloana an'i Venezuela, saingy mbola niverina hiatrika ny Mondial 2026 ho toy ny mondial “farany” amin’ny tantarany. Tsy ho voakosoka eo amin'ny tantaran'ny baolina kitra ny anaran'ity mpilalao nibata "ballon d'or" miisa 8 izay mety an-jato taona vao ho montsana ity. Nanoratra tantara maro nampitolagaga ka hatramin'izao mbola misy ny manao vazivazy hoe: sao mba tsy olombelona i Messi fa "extraterrestre"?


Andaniny, voatazon’i RD Congo 1-1 kosa i Portugal alina, izay heverina fa isan’ny vokatra tsara ihany koa taorian’ny Maroc1-1 Brésil, Cap Vert 0-0Espagne. Ny faharesen’i Tunisie 5-1 nanoloana an’i Suède no azo lazaina ho ratsy ka nahatonga azy ireo nandroakany mpanazatra Lymouchi sy niantso an’i Hervé Renard. Fandresena tokana ho an’ny Afrikanina hatreto ny nandresen’i Côte d’Ivoire 1-0 an’i Equateur
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT