Sport

Lion Force Gym sy kliobana kick boxing maro Niara-namboly hazo teny Benasandratra Fenoarivo


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Ndao hanamaitso An’i « Dago » no lohahevitra nentin’ny Club kick boxing « Lion Force Gym » sy ireo Club kick boxing rehetra

 


 

nanatanteraka ny fambolen-kazo notanterahin’izy ireo teny Benasandratra Fenoarivo tamin’ny alahady 01 martsa 2020 lasa teo. Zanakazo nahatratra 1000 isa no nambolen’ireo mpikatroka kick boxing niisa 140 tonga teny an-toerana ka anisan’izany ireo mpikatroka hifanandrina amin’ny X-Trême Combat hotanterahan’ny klioba etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina amin’ny sabotsy 07 martsa tolakandro ho avy izao. « Niniana nasaina hiaraka mihitsy ireto mpifanandrina eny ambony ringa ireto ety amin’ity fambolen-kazo ity, hoy i Me Boto Gilbert filoha mpanorina ny klioba Lion Force Gym teny Benasandratra, mba hiara-kientana hanatanteraka ny adidy  fambolen-kazo ho an’ny firenena sy ny vina "Madagasikara ho maitso lalandava" amin’ity taona 2020 ity ». Marihina fa ankoatra an’io fambolen-kazo niraisana io dia nisy ihany koa ny fiarahana nanao «  Zumba party » sy niaraha-niangaliana, kilalao isan-karazany ary niarahana nihinana  Brochettes ihany koa.

Ntsoavina Evariste

 

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT