Lilian Raolisoa

Nandà tsy ho kaomorianina, andrandraina ho Barea


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,

namaly ny fanontaniana napetraky ny mpanaraka azy anaty tambazotran-tserasera raha mazoto hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena kaomorianina. Nandà tsy ho kaomorianina, araka izany, ity mpilalao teratany malagasy mizaka zom-pirenena frantsay ity, raha ny fantatra hatreto aloha. Heverina fa azo andrandraina ho Barea na isan’ireo hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra kosa ny tovolahy ao anatin’izao faha 24 taonany izao. Azo lazaina ho isan’ny andry ao amin’ny fiarovana ny ankavanan’ny kianja ao izy, raha ny vatana sy ny refiny 1,78 metatra, ary azo lazaina ho mampahatsiahy ilay reharehan’ny kitra frantsay teo aloha ny taona 1998 hatramin’ny 2006, Lilian Thuram, mihitsy aza.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT