Sport

Lila, Tita, Hasina ary Mirana Mihomana fatratra ho any Tonizia


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Manomana fatratra ny dian’izy ireo ho any Tonizia hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka i Lila sy Tita ary Hasina sy Mirana mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy.

 

 

Nanomboka tamin'ny alatsinainy 11 martsa teo no nanomboka ny fampivondronana azy ireo etsy amin'ny boulodrôme CBT  Mahamasina mandra-piaingan’izy ireo  eto an-tanindrazana amin’ny 23 martsa ho avy izao hihazo an’I  Tunis.  Marihana fa eo ambany fiahian’ny FMP “Federasiona Malagasin’ny Tsipy Kanetibe” tantanan’i Dadah Robison vonjimaika ankehitriny noho ny fanomezam-pahefana azony tamin’ny filoha Beryl Razafiniony noho ny anton’asa mahatazona  azy  ka efa nampahafantarina an’ireo rafitra rehetra mitantana ny Tsipy Kanetibe eto amintsika hatramin’ny rafitra atsy Afrika sy ny Federasiona Iraisam-pirenen’ity taranja ity. Ny  jeneraly Rarivomanana Tahiry kosa  no mpanazatra mitantana an’ity ekipam-pirenen’ny Tsipy kanetibe  vehivavy Malagasy 2019  ity.Efa  nivoaka omaly ihany koa ny anaran’ireo mpilalao lahy sy vavy hanampy an’i Balloteli sy Tsiory hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny tsipy kanetibe 2019  sokajy « Individuel, Doublette, Mixte »  ho tanterahina any Espagne ny 2-5 mey 2019 ho avy izao.  Izy ireo kosa dia amin’ny 01 mey  2019 izao no hanainga ho avy Espagne.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT