Sport

Ligue Europa 2017-2018


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Notontosaina halina, tany amin’ny kianja Groupama Stadium any Lyon Frantsa, ny lalao famaranan’ny fifaninanana Ligue Europa taom-pilalaovana 2017-2018.

Lasan’ny ekipan’ny Atletico Madrid Espagne  ny amboara fa lavony tamin’ny isa mazava 3-0 ny ekipan’ny Marseille France teo amin’izany lalao famaranana izany. Baolina matin’i  Griezmann avy amin’ny tolotr’i Gabi teo amin’ny minitra faha-21 ny baolina voalohany matin’ny Atletico Madrid ary nentin’ny roa tonta niala sasatra. Vao nanomboka 4 minitra  indray ny fidirana faharoa dia nahatafiditra baolina faharoa tamin’ny alalan’i Griezmann indray ny Atletico Madrid. Ary ny baolina faha-3farany dia matin’i Gabi teo amin’ny minitra faha-89.

 


 

 

 

Fihodinana an’Italie am-bisikileta

 

Lasan’ilay mpihazakazaka Anglisy, Simon Yates mpilalaon’ny Mitchelton-Scott, omaly alarobia 16 mey ny dingana faha-11 nampitohy an’i Assisi sy Osimo (156 km). Nihoarany 2 segondra ilay Néerlandais Tom Dumoulin tamin’izany. Marihina fa niainga tany Jerosalema Israel tamin’ny 4 mey lasa teo ity fifaninanana ity ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 27 mey 2018 amin’ny dingana faha-21 hotontosaina ao Roma. Mpihazakazaka 2 hatreto no samy efa nibata fandresena 2 avy dia i Elia Viviani mpilalaon’ny QuickStep-Floors teo amin’ny dingana faha-2 sy faha-3 ary i Simon Yates mpilalaon’ny Mitchelton-Scott teo amin’ny dingana faha-9 sy faha-11.

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT