Ligue des nations

Nobatain’i Porugal ny fandresena


  • Talata 10 Jona 2025

Nikatona tanteraka tanteraka ny alahady teo ny “Ligue des Nations 2025”.

Norombahin’i Portugal ny amboara, rehefa nandresy an’i Espaina tamin’ny tifitra penalty (5-4) ry Cristiano Ronaldo, taorian’ny ady sahala 2-2 hatramin’ny fanalavam-potoana tany amin’ny kianja Allianz Arena tao Munich. Nitarika indroa i Espaina noho ny baolina matin’i Martín Zubimendi sy Mikel Oyarzabal, saingy nahavita nanasahala ny isa in-droa i Portugal tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Nuno Mendes sy Cristiano Ronaldo, izay nahatratra ny baolina faha-138 niarahana tamin’ny ekipam-pirenen’i Portugal. Tamin’ny tifitra penaltý, Voasakan’i Diogo Costa ny dakan’i Álvaro Morata mpilalaon’ny Real Madrid teo aloha ary milalao ao amin’ny Athletico Madrid, raha Rúben Neves kosa no namono ilay baolina farany nanome ny fandresena an’i Portugal. Nametraka an’i Portugal ho firenena voalohany nahazo in-droa ny « Ligue des nations » ity fandresena ity satria izy ireo no nibata ny andiany voalohany 6 taona lasa izay. Votsotra teo an-tanan’i Espagne izay tompondaka farany mazava ho azy ny anaram-boninahitra. Misy ireo mpitia kitra Espaniola somary manakiana ny mpanazatra teo amin’ny fandaharana ireo mpilalao, fa voakiana mafy ihany koa i Morata iza tsy vao sambany tsy nahafaty « tirs au but » tahaka izao ho an’ny ekipam-pirenena Espaniola. «Morata dia mpanohana ny Real de Madrid ka tsy hamela mihitsy an’i Lamine Yamal hahazo ballon d’or », hoy kosa i Zlatan Imbrahimovic mpilalaon’ny Barcelone sy PSG fahiny. Somary nampihena ny herijakan’i Lamine Yamal amin’ny hazakazaky ny « Ballon d’or 2025 » ny faharesen’i Espagne tamin’ny famaranan’ny Ligue des Nations. Andaniny, nampitombo ny lisitry ny anaram-boninahitra azon’i Cristiano Ronaldo izay efa 40 taona ankehitriny, izay nahazo « Ligue des nations » roa sy ny Euro 2016. Nuno Mendes vao avy nibatana ny Ligues des champions farany teo kosa no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ilay lalao, noho ny zava-bitany miavaka: baolina iray, “passe décisive” iray, ary tifitra penaltý tafiditra, ankoatra ny nahavitany nitazona an’i Lamine Yamal. Ho an’ny fiadiana ny laharana fahatelo, dia marihina fa nandresy mazava 2-0 an’i Allemagne tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Mbappé sy Olissé izay mpilalaon’ny Bayern Munich ny Frantsay.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT