Ligue des Champions

Vita ny amin’i PSG, mbola resin’i Dortmund indray


  • Alarobia 08 Mey 2024

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

hibata ny amboaran’ny Ligue des Champions voalohany eo amin’ny tantarany. Mbola niondrika teo anatrehan’ny Bouroussia Dortmund indray alina ry Kylian Mbappé raha nieritreritra fa handresy mora fotsiny tao amin’ny Parc des Princes. Ry rainiboto no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Matt Hummels (50’) kapiteny, ary tsy niova tamin’io hatramin’ny farany ny isa. Niezaka nanafika sy nanao izay hamonoana baolina ny PSG, saingy nahomby ihany koa ny fiarovan-tenan’ny alema. Tsy nitodika tamin’ny Frantsay ny vitana satria baolina roa no nidona tamin’ny tsatoby, ary iray tamin’ny tsivalamby. Nanao ny fomba rehetra hamonoana baolina saingy tsy nety tafiditra na totoafo sy nampitaintaina aza ny ankamaroan’ireo baolina nentin-dry Mbappé sy Dembelé. 2-0 izany ny tambatr’isan’ny roa tonta satria efa resy 1-0 ny PSG tany amin’ny Signal Iduna Park. Tsy mety afa-bela satria iray Vondrona izy ireo tamin’ny savaranonando, saingy i Dortmund no nandresy sy nisongadina, ary voalohany teo amin’ny filaharana. Vita hatreo indray aloha izany ny amin’i PSG hibata ny amboara besofina, ka betsaka aza ny mivazivazy hoe : rehefa tsy nahazo tamin’ny andron-dry Neymar sy Messi, ary Di-Maria, dia aleo tsy manantena betsaka. Mbola hijanona amin’ny PSG ve i Mbappé izay andriamanitra kelin’ny klioba sa hikisaka any amin’ny Real de Madrid amin’izay ? Miijanona ho ny Olaimpika de Marseille irery aloha izany hatreto no hany ekipa Frantsay nibata ny Ligue des Champions, izay efa tany amin’ny taona 1993.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT