Boribory marina ny baolina ary tena avo lenta ny endri-dalaon’ny ligue des champions. Samy nahafaty baolina roa be izao i Divock Origi (7’sy 79’’) sy Georginio Wijnaldum(54’ sy 56’)
samy mpilalaon’ny Liverpool halina tany Anfield tamin’ny lalao miverina teo amin’ny Liverpool (4) sy FC Barcelone (0) tafiditra indrindra amin’ny lalao manasa-dalana miverina. Nomen’i Liverpool lesona ry Messi sy ny tariny. Hazakazaka tsy nisy ohatr’izany ny lalao, nanezaka mafy ny Barça izay nanatombo tamin’ny fihazonana ny baolina ary efa nandresy 3-0 tamin’ny lalao mandroso saingy tsy tafavoaka. Mazava ny fandresena ho an’ny Reds ary dia hiatrika ny lalao famaranana amin’ity ligue des Champions 2019 ity izany ry zareo Anglisy satria rehefa natambatra ny isa dia nandresy 4-3 i Liverpool. Izay mivoaka ho mpandresy anio alarobia eo amin’i Ajax sy Tottenham izany no hifandona amin’i Liverpool. Marihana fa tsy nilalao nandritra ny fihaonana halina i Salah sy Firmino (Liverpool).
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.