Sport

Ligue des Champions Nobatain’ny Bayern ny amboara


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Norombahan’ny Bayern Munich fanin’eniny ny ambaoran’ny Ligue des Champions any Eoropa.1 no 0 no isa nisarahana tany Lisbonne omaly, tena nanezaka ny PSG saingy hita ihany hoe mbola zazavao amin’ny lalao famaranana avo lenta; tsikaritra ho nikaviavia sy tsy nahetsika firy ry Neymar, Mbappé sy Di Maria;

 

 

 hita ho nihaotraotra izany ry Mbappe sy Neymar kanefa efa nahazo tolotra mety tsara saingy daka malefaka no natao.Tena nanindry ny  Alemana satria izy no nifehy ny 62% n’ny lalao ary tena nampiseho ny maha ekipa matotra azy .I Kingsley Koman no nampiditra tamin’ny alalan’ny lohany ny baolina tokana ho an’ny Bayern teo amin’ny minitra faha 59 ; tratry ny contre-pied i Navas, nikobana ny harato.Somary mafimafy ihany ny fifandonana tamin’ity lalao ity satria 8 ny karatra mavo nozaraina ka samy nahazo 4 avy ny andaniny sy ny ankilany.Ny Bayern Munich sy Liverpool irery hatreto no efa in’enina nandrombaka ny champions league.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT