Sport

Ligue des Champions FC Bayern sy PSG no hanao famaranana


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Narapaky ny Bayern Munich ny Olympique Lyonnais halina.3 no 0 ny isa teny amin’ny fafana.Nahatafiditra baolina roa i Gnabry teo amin’ny minitra faha 18 sy faha 33.

 

 

Io no isa nentina niala sasatra.Nanezaka ihany ny Lyonnais , ary farafahakeliny baolina 2 no tokony ho tafiditra , saingy tsy nambinina araka ny fomba fiteny angamba.Somary hazakazaka ihany ny lalao omaly ary hita ho mifandanja raha ny tanjaka saingy tsapa ho manatombo amin’ny traikefa ny Alemana.Tany amin’ny minitra faha 88 no nampiditra ny baolina faha-3 ho an’ny Bayern i Lewandowski.Tapitra hatreo ny nofinofin’ny OL .Efa in-dimy nandrombaka ny Ligue des Champions ny Bayern Munich izay laharana voalohany amin’ny Bundesliga Alemana amin’izao fotoana, ary efa in-20 nibata ny amboaran’i Alemaina.Mbola zazavao amin’ny famaranana Ligue des Champions kosa ny PSG , ary 25 taona lasa izay izy no niatrika lalao manasa-dalana farany.Manana mpilalao mahay sy kinga anefa ity klioba Frantsay ity ary efa hatry ny ela no niomana handrombaka ny amboara eoropeanina.Azo antoka fa tena hangotraka ny lalao any Lisbonne ny alahady ho avy izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT