Sport

“Ligue des champions” aty Afrika Mitohy ny làlan’ny ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Ny baolina tafiditr’i Santatra teo amin’ny minitra faha-67 izay nanasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe ho 1 no ho 1 nandritry ny fihaonan-dry zareo Pamplemousse SC

maorisianina tamin’ny Fosa Junior Malagasy dia efa ampy nahatafakatra ity klioba divizionina voalohany eto Madagasikara ity ho any amin’ny dingana manaraky ny fiadiana ny amboaran’ny CAF eo amin’ireo ekipa tompondaka na “Champion’s league” afrikanina. Tsy dia lava ny fitaintainana na dia nitarika tamin’ny isa 1-0 aza ny vahiny hatreo am-pialan-tsasatra raha vao nampidirin’i Razah teo amin’ny minitra faha-12 monja ny baolina voalohany satria efa nanana tombon’isa isika raha nandresy tany Mahajanga tamin’isa 1-0 tamin’ny lalao mandroso. Na mbola nandresy tamin’ny isa 2-1 aza izany ry zareo Pamplemousse tamin’ity lalao miverina tao amin’ny kianjan’i Anjalay ao Mapou ity dia mbola ampy nahatafakatra antsika ho any amin’ny dingana fahatelo hatrany izany. Ny T.P Mazembe Kongoley indray izany no miandry antsika manaraka raha tsy miova ny fandaharam-potoana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT