Sport

Ligue des Champions Adin’ny samy Anglisy ny famaranana


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Nampangitakitaka ! Izay no mahafintina ny lalao nifandonan’ny ekipan’ny Ajax sy Tottenham miverina manasa-dalana faharoan’ny ligue des champions halina.

 

 

 

Tena nifandimbiasana ny fanafihana. Nisantatra ny famonoam-baolina ny Ajax tamin’ny alalan’i Matthijs de Ligt 5 minitra nanombohan’ny lalao. Nampiditra ny baolina faharoa mbola ho an’ny Ajax ihany i Hakim Zyieck teo amin’ny minitra faha-35. Tany amin’ny fidirana faharoa kosa nanezaka mafy ny Anglisy, totoafo ny fanafihana sy ny andrana nampidi-baolina. Nody ventiny ny rano nantsakaina teo amin’ny faha-55 minitra tamin’ny alalan’i Lucas Moura ary mbola ingahirainy ihany no nampiditra ny baolina roa farany teo amin’ny minitra faha-59 sy faha- 96, izany hoe nandritra ny fotoana fanampiny izay nahatratra 6 minitra. Kivy tanteraka ry Ajax izay hita fa tena nanao baolina. Hafaliana tsy omby tratra kosa ny an’ny ekipan’i Tottenham hiatrika ny lalao famaranana izay toa lasa fifaninanam-pirenena Anglisy satria Liverpool no hifanandrina amin’izy ireo ny 1 jona ho avy izao any Madrid. Hafaliana roa sosona ny an’ny Anglisy ary nanakoako nanomboka halina ny hoe ny Anglisy no tompon’ny baolina e ! Mifanandrify amin’ny nahazoan’ny Printsy Harry sy ny vadiny Megane Markle zazalahy moa izany rehetra izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT