Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »
tamin’ny 2020, saingy tao Munich ihany koa no nanoratan’ny Paris Saint-Germain na ny PSG ny tantara ho azy, tamin’ny fandrombahana ity amboara isan’ny lehibe indrindra ho an’ny baolina kitra any Eoropa ity ny alin’ny sabotsy teo. Nomontsanin’ny PSG tamin’ny isa mavesatra 5-0 ny Inter Milan tao amin’ny Allianz Arena, Munich. Tao anatin’ny 20 minitra dia efa 2-0 ka nanokatra ny isa i Achraf Hakimi mpilalaon’ny Intera fahiny, izay nisafidy ny tsy hankalaza ny baolina matiny. Namiratra nanao pao-droa i Désiré Doué ilay mpilalao Franco-Ivorien izay voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra, mbola nampian-dry Khvicha Kvaratskhelia, ary Senny Mayulu. Nanoratra tantara ny PSG 14 taona taty aorian’ny nandraisan-dry zareo Qataris an’ity klioba ity. Tao anatin’ny 11 taona nikatsahana an’io amboara io, nifandimby tao ireo kintana maro teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra niainga tany amin-dry Ronaldinho, David Beckam, Lionel Messi, Neymar, Mbappé,… saingy izao izy teo ambany fitarihan’ilay mpanazatra Epaniola Luis Enrique izao vao nody ventiny ny rano natsakaina. Ity mpanazatra ity no nahavita nanoratra tantara ho an’ny PSG. Ligue des champions faharoa azon’ny Klioba Frantsay taorian’ny Olympique de Marseille tamin’ny mey 1993. Tamin’ity no tsy nisy mpilalao malaza sy nisongadina ny PSG, saingy nisongadina teo amin’ny fahaiza-miaraka sy ny fahavononana hibata fandresena, rehefa avy notsotsofina tany amin’ny lalao sakana nahafana niakatra ampahavalon-dalana.
12 TAONA NIAINANA NY MAMY SY NY MANGIDY I MARQUINHOS
Isan’ireo mpilalao niaina betsaka indrindra ny mamy sy ny mangidy tao anatin’ny PSG ilay Brezilianina Marquinhos izay sady kapiteny. “Fifangaroan-kafaliana sy fihetseham-po niarahana nandalo. Nijaly aho fa nitombo niaraka tamin’ity ekipa ity. Mieritreritra ireo mpilalao rehetra efa nandalo aho, nefa tsy nahavita nahazo izany: Thiago (idole-ko), Lucas, Zlatan, Cavani, Di Maria… Maro izy ireo no tokony ho nahazo an’ity, fa tsy nety tanteraka. Androany isika no tonga dia entintsika mody izany. Mieritreritra ireo mpanohana rehetra aho, ireo ao amin’ny Parc sy manerana izao tontolo izao. Tiako ianareo. Ankafizo, izahay koa hankafy eto. Io no andro nahafinaritra indrindra teo amin’ny fiainako. Teto ny fianakaviako, niara-nahita sy niaina izany. Tanjona lehibe ho ahy izany. Tamin’ny niantombohantsika dia tsy nisy nino hoe ho tonga lavitra tahaka izao isika. 12 taona feno sedra, fijaliana, fanaratsiana… Saingy ankehitriny azontsika ny amboara, ary hoentintsika mody. Faly loatra aho.”, hoy i Marquinhos. “Tonga ihany ilay andro lehibe. Fandresena mendrika ho an’ny klioba iray manontolo. Arahaba PSG.”, hoy kosa i Kylian Mbappé mpilalaon’ny PSG teo aloha, izay nandao sy nikatsaka haka ny LDC niaraka tamin’ny Real Madrid.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.