Sport

Ligin’ny Volley-Ball Analamanga Hifarana amin’ny alahady ny taom-pilalaovana 2017


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Hangotraka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2017 eo amin’ny taranja volley-ball eto amin’ny ligin’Antananarivo amin’ny alahady 27 aogositra izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

 Nambaran-dRasamison Hajanirina filohan’ity ligy ity am-perinasa tamin’ny firesadresahana taminy fa hahita lalao miady tokoa Antananarivo amin’io alahady io satria ireo sangany eto Analamanga no hifampitady. Nahavalalanina ny fiatrehana ny ho tompondakan’Analamanga tamin’ity taona ity, hoy izy, fa niakatra dia niakatra ny haavo teknikan’ireo ekipa isanisany noho ny fiofanana nomen’ny ligy an’ireo mpanazatra azy ireo tsirairay avy tamin’ity taona ity. Lalao 6 no hifanesy harahina tsy miato etsy Mahamasina (kianja mitafo) amin’io andro alahady io manomboka amin’ny 8 ora maraina.

 

Sokajy junior vehivavy : Vbcd # 3 Fans

Sokajy junior lehilahy  : Vbcd # Amvb

Sokajy 2è série lehilahy : Jsa # Tsvb

Sokajy 1ère série vehivavy : Vbcd # Jmvb

Sokajy 1ère série lehilahy : Cosfa # Gnvb

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT