Sport

Ligin’ny Rugby Vakinankaratra Voahosotra ho tompondaka rejionaly ny fileovana 3FAI


  • Talata 14 Mey 2019

Nifarana tamin’ny alahady 12 mey teo rehefa naharitra efa-bolana (janoary-mey 2019) ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny Rugby ao Vakinankaratra izay nandraisana fileovana 11 anjara.

 

 

Voahosotra ho tompondaka rejionalin’ny ligin’i Vakinankaratra taona 2019 ny 3Fai Ambalavao Isotry rehefa nandavo ny Tfma Antsirabe 92-00 teo amin’ny lalao famaranana.  Omaly alatsinainy 13 mey tetsy amin’ny foiben-toeran’ity klioba ity tetsy Tsaralalàna no nanoloran’ireo mpilalao an’ireo mpitantana azy notarihan’ny filoha lefitra Rainimanga Etienne  ny amboara azony tany Antsirabe. Nambaran’ireo mpitantana fa nanampy betsaka tamin’ny fahombizan’ny 3Fai ny tohana lehibe sy matotra nentin’ny filohany Rakotonirina Raissa, tsy mikely soroka mikarakara ny klioba. Hisaorana koa, hoy izy ireo, ny ligin’ny rugby ao Vakinankaratra tarihan’ny filohany sy ny SG Rakotonirina Alain tamin’ny fikarakarana matotra nataon’izy ireo nahatanteraka an’iny fifaninanana iny. Efa an-dalam-pivoarana ny taranja rugby ao Vakinankaratra ao, hoy ny feo heno tetsy Tsaralalàna omaly fa mila fifandonana avy aty ivelany misimisy kokoa. Tombony ho an’ny 3Fai kosa ny efa nahaela azy teo amin’ny sehatr’ity rugby ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT