Sport

Ligin’ny Rugby eto Analamanga Nanao hetsika teny Andohatapenaka


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Nitarika hetsika filaharambe ho fitakiana ny hialan’ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka omaly zoma 17 aogositra 2018,

ny ligin’ny rugby eto Analamanga notarihan’ny filohany, Ravelojaona Andry La Pie, niaraka tamin’ny seksiona ny rugby Antananarivo-Renivohitra sy ny seksion’ny rugby Vakiniadiana ary ireo fileovana maro eto Analamanga sy ny fikambanan’ny tanora mpanao rugby eny ambany tanàna. Tsy ekena intsony ny ampihimamba ataon’ity filohan’ny federasion’ny rugby amin’ny tontolon’ny lavalava fa be ny zavatra simba, hoy izy. Singanina amin’izany ny fanaovana antsojay ataony amin’ireo mpikarakara « œuvre » mba hampandrosoana an’ity taranja ity, ny tsy fikarakarana mihitsy ny kianja Makis Andohatapenaka izay zary simba tanteraka ankehitriny, ny hanaovany AG « Fivoriambe » anio sabotsy 18 aogositra nefa tsy nampandre ny ligin’Analamanga akory. Fanombohana ihany ity hetsika natao teto Andohatapenaka omaly zoma ity, araka ny filazany, fa tsy hijanona intsony mandra-pahatanteraka ny fanirian’izy ireo. Hisy indray ny fivoriana hatao eny amin’ny ANS Ampefiloha amin’ny alakamisy izao ho tohin’ny hetsika.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT