Sport

Ligin’ny Rugby eto Analamanga Naato 5 minitra noho ny orana ny lalaon’i Matadore A sy XV Family


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Nosokafana omaly alahady 11 novambra tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny taom-pilalaovana 2018-2019 ho an’ny ligin’ny rugby eto Analamanga tarihan-dRavelojaona La Pie.

 

Lalao 3 tamin’ireo fihaonana 5 voalahatra tao anaty fandaharam-potoana no tontosa noho ny tsy fahatongavan’ny fileovana Tam Anosibe izay niharam-boina noho ny fahafatesan’ny mpilalao vehivavy iray tao aminy tamin’ireo hain-trano nitranga tao Anosibe tamin’ny herinandro lasa teo. Ny lalao faran’ny sokajy D-1 lehilahy Elite 1 kosa  nifanandrinan’ny Matadore Anosipatrana sy ny XV Family  Vondrona dia voatery naaton’ny mpitsara 5 minitra raha vao nanomboka kely ny fidirana faharoa noho ny orana nikija. Nitarika tamin’ny isa 12 no ho 11 ny XV Family tamin’izay nefa lavon’ny Matadore A 16 -12  izy ireo tamin’ny farany.

Voka-dalao azo omaly tetsy Malacam :

Sokajy vehivavy : Matadore A nandresy ny Tam tamin’ny “Forfait” , Uasc 42 – 00 Fanjan’Anjanahary.

Sokajy lehilahy D-1 elite  1 :  Fta nandresy ny Tam tamin’ny “Forfait” , Uasc 45 – 27 Ftat, Matadore A 16 – 12 XV Family.

                     

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT