Sport

Ligin’ny rugby eto Analamanga Lany ho filoha vaovao i Norbert Arnès Razafimbelo


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny COM tetsy Ivandry ny talata 6 febroary 2018 teo ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny rafitra ligin’ny taranja rugby eto Analamanga hisolo an’i Andry La Pie izay nahazo fitsipaham-pitokisana tamin’ny seksiona 3 (Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo) tamin’ny volana novambra 2017.

 

Feno ny fepetra ahazoana manatanteraka ny fifidianana, hoy i Andry Rakoto filohan’ny CER (Commission Electorale Régionale) ary voalazan’ny satan’ny rugby fa tsy maintsy soloina ny toerana banga. Notanterahina ny fifidianana rehefa nohamarinin’izy ireo ny maha ara-dalàna an’ireo mpifidy 3. Roa ihany ny kandidà tonga nanatrika an’ity fifidianana ity dia i Herisoa Philippe Olivier sy Razafimbelo Norbert Arnès ka ity farany no lany tamin’ny isam-bato 2 azony raha vato 1 kosa no azon’ny mpifanandrina taminy. Notanterahin’ny kandidà laharana voalohany, Randrianarisoa Solofoniaina Rija kosa ny fanambarana nataony fa nisintona ny filatsahany izy ka dia tsy tonga nanatrika an’ity fifididianana  ity. Tsy tonga nanatrika ny fotoana koa ny minisitera mpiahy sy ny Com fa ny solontenan’ny Malagasy Rugby no tonga amin’ny maha mpanara-maso azy.

Ho olon’ny fampivondronana aho, hoy i Norbert Arnès, ka manao antso avo amin’ny prezida teo aloha Andry La Pie izy manao hoe : “andao hiara-kiasa hampandroso ny taranja rugby Malagasy. Miisa 3 ny vina maika hotanterahina ato ho ato, hoy ity filoha vaovao ity, dia ny fananganana tranombarotra hividianan’ireo fileovana fitaovana rugby mora sy ny fananganana biraon’ny ligy etsy amin’ny tany nomen’ny Seimad etsy 67 ha ary fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo “Sponsors” samihafa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT