Sport

Ligin’ny Rugby Analamanga Mihamatotra ny fiaraha-miasa amin’ny Madagasikara Tafaray


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Efa naharitra an-taonany maro ny fiaraha-miasan’ny ligin’ny taranja rugby à XV eto Analamanga tarihan-dRavelojaona Andry « La Pie » fa

 

 

ankehitriny dia miditra amin’ny lalin-dalina kokoa izany satria midina ifotony manampy an’ity ligy ity mivantana mihitsy ny fikambanana Madagasikara Tafaray tantanan’i Mbola Rajaonah mpandraharaha. Tamin’ny talata 6 novambra teo ary dia nifamotoana tamin’ity fikambanana mpanohana ofisialy azy ity teny amin’ny Live Hotel teny Andavamba ny mpikamba manontolo ao amin’ity ligy ity notronon’ireo namana mpiara-miasa rehetra ary ireo fileovana milalao ao aminy ihany koa niara nikorana sy nilanona ary niara-nisakafo ihany koa. Tokony hampakatra avo ny lazan’i Madagasikara ny fanatanjahantena, hoy ity filohan’ny Tafaray ity tamin’ny fandraisam-pitenena nataony, io no fototra hahazoan’ny mpiangaly azy mijoro ka tsy ho lalaovin’ny olona foana, hoy izy, ka izany no hanampian’ny Tafaray hatrany an’ireo taranja maro toy ny rugby, baolina kitra, kick boxing ary basikety ary ho hamasifina izany amin’io taona 2019 ho avy io. Ireo rehetra nandray fitenenana teo alohany kosa dia samy nanamarika avokoa fa tsy mbola nisy ny nanao tahaka izao nataon’ny Tafaray izao hatramin’izay fa sambany nomena haja manokana ny tontolon’ny rugby Malagasy ka vonona avokoa ny rehetra hanohy ny fiaraha-miasa amin’ity fikambanana ity. Atoa Andry La Pie kosa dia nisaotra manokana ny fikarakaran’ny Tafaray ny beach rugby andiany voalohany « beach midôla » notanterahina tany Toamasina farany teo ka nisaotra sahady ny mbola hikarakarany ny beach rugby andiany faharoa « Allées des Baobab » ho tontosaina any Morondava ka hiantohana ekipa 4 be izao ho any amin’ny 22-25 novambra 2018.Nisy ny 1 minitra fahanginana tao anatin’ity lanonana ity nahatsiarovana manokana an’Itompokolahy Solohery filohany fileovana IRC nodimandry tamin’ny alahady 4 novambra teo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT