Sport

Ligin’ny basikety eto Analamanga Haverina ny fifaninanana Trump


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Nahavita ny AGO “Fivoriambe” fanaony isan-taona ny ligin’ny basikety eto Analamanga notarihan-dRasolomalala Fidy filohany.

 

 

 

Tetsy Antsahavola no nanatanterahan’ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ity taranja ity sy ireo mpiara-miasa aminy sy ny Dirjs Analamanga,  Andriatsalama Patrice, izay namaranana tamin’ny fomba ofisialy an’ity hetsika ity sady nanambarany fa velona tsara ny taranja basikety eto Analamanga. Afa-po tamin’ny ankapobeny izahay mpitantana ny ligin’ny basikety eto Analamanga, hoy ity filohany ity, raha ny zava-nisy natrehana tamin’iny taon-dasa iny tamin’ny nahazoan’Analamanga ny tompondakan’i Madagasikara 2018 rehetra teo amin’ny sokajy manontolo sy ny tatitra avy amin’ireo seksiona 5 mandrafitra an’ity ligy ity (Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo ary Manjakandriana vao nahazo fankatoavana tamin’ny janoary 2019 lasa teo. Ny vina hotanterahan’ity ligy ity amin’ity 2019 ity kosa, araka ny nambarany, ankoatra ny fanohizana ny tsara vita sy ny fiadiana ny ho tompondaka rejionaly ary ny fanarenana ny lesoka nisy dia haverina hokarakaraina indray ny hetsika JUMP “Fifaninanana basikety teny anivon’ny sekoly” amin’ity taona ity. Hisy ihany koa ny hikarakaran’ny ligy ny hetsika Super Star izay hifanandrinan’ireo ekipa voafantina rehetra manerana ny seksiona 5 misy. Nifanarahan’ny rehetra kosa fa ny “championnat regional” sokajy U 18 2019 dia hatao any Manjakandriana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT