Sport

Ligin’ny basikety Analamanga Hanangana ny seksion’i Manjakandriana tsy ho ela


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Nambaran’ny filohan’ny ligin’ny basikety eto Analamanga, Rasolomalala Fidy, tetsy amin’ny biraony etsy amin’ny “Sous-gradiin Mahamasina” omaly alakamisy 02 aogositra fa hanangana ny seksion’ny basikety baolina any Manjakandriana tsy ho ela ity ligy tarihiny ity.

Efa vinanay tamin’ny nandraisana ny fitantanana tamin’ny 2016 ny hanangana seksion’ny basikety 4 hanampy an’ireo efa misy eto Analamanga dia i Manjakandriana, Ankazobe, Andramasina ary Anjozorobe, hoy ny filohany, ka tsy maintsy hatsangana ao anatin’ny 2 taona sisa hitantanana an’ity ligy ity ireo. I Manjakandriana no efa mahafeno fepetra amin’ireo toerana 4 ireo ka izay no hananganana azy mialoha. Nisy ny “Comité Adhock” natsangana ahitana an’ireo herivelon’ny taranja basikety rehetra, mpanazatra, mpilalao, tompona klioba hatramin’ny mpitandro ny filaminana, lehiben’ny distrika … ao anatiny, izay hiantsoroka ny fananganana seksiona sady hikarakara ihany koa fifaninanana hatao any amin’ny seksiona hatsangana. Avy amin’izay no hananganana birao ao amin’ilay seksiona vaovao izay mbola homena fiofanana sahaza azy ihany koa mba hampitovy lanja azy amin’ny fitantanana an’ireo ligy mitovy aminy. Amin’ny fanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga 2018 sokajy U 16 sy U 18 hotontosaina amin’ny volana novambra ho avy izao dia hapariaka manerana an’ireo seksiona misy eto Analamanga ireo lalao hotanterahina ka hisy lalao 2 hatao any Manjakandriana.

Marihana fa eo am-panatontosana ny fiadiana ny ho tompondaka rejionalin’ny  basikety sokajy veteran etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena ankehitriny ny ligin’ny basikety eto Analamanga ny 30 jolay-05 aogositra 2018.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT