Sport

Ligin’ny baolina kitra V7V sy Matsiatra Ambony Lany ho filoha i Giscard Adriano sy Raby Eléonore


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Tontosa tamin’ny zoma 19 oktobra 2018 tao amin’ny CAPJ Manakara ny fifidianana ny ho filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra any Vatovavy Fitovinany.

 

 

Nisy 3 ireo kandida nifaninana dia Atoa isany Giscard, Arsène ary  Abdoul. Tsy nandray anjara intsony kosa ilay kandida tokana nampisy olana teo aloha. Lany ho filoha vaovaon’ity ligy ity tamin’ny isam-bato 4-0-0 Atoa Giscard Adriano. Tamin’ny sabotsy 20 oktobra kosa no nanatontosana ny fifidianana tany amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony. 2 ireo kandida nifaninana rehefa niala an-daharana tamin’ny ora farany ny kandida faha-3. Fantatra fa tsy nirotsaka intsony koa ilay kandida tokana teo aloha ka lany ho filoha vaovaon’ny ligin’i Matsiatra Ambony Rtoa Raby Razafinambinina Myriam  Eléonore nandresy 5-0 ny kandida Thierry nifaninana taminy. Marihana fa rahampitso talata 23 oktobra 2018 no hanatanterahana ny fifidianana ligy any Bongolava.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT