Sport

Ligin’ny baolina kitra - Bongolava Miditra amin’ny andro faha-4 ny fiadiana ny ho tompondaka


  • Zoma 04 Janoary 2019

Miditra amin’ny andro faha-4 ankehitriny ny fifaninana baolina kitra fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra any Bongolava tarihan-dRakotoarimino Andrianina Desire “Dr Dezy” izay efa nanomboka tany amin’ny voalohandohan’ny volana desambra 2018 tany.

 

 

 

Araka ny nambaran’ity filohan’ny ligin’i Bongolava ity dia misy klioba 7 navondrona ao anatin’ny vondrona iray no miatrika an’ity fifaninanana ity  fa niala an-daharana ny  ekipa faha-8 nisoratra anarana (Ajesaia, As Andry, As Bel’Air, Jsf, Cff Ja, Fc Ravionala, Ajs Vondrona). Kianja 3 no hanatanterahana an’ireo lalao rehetra dia ny kianjan’i Tsiroanomandidy, kianjan’i Bevato ary kinajan’i Beambiaty. Ireo ekipa 4  mitana ny laharana voalohany aorian’ny fifanintsanam-bondrona no hiatrika ny fihodinanana faharoa ahitana izay ho tompondakan’ny ligin’i Bongolava taom-pilalaovana 2018/2019. Marihana fa araka ny hafatry ny “Comité de normalisation du football Malagasy” dia tsy maintsy fantatra amin’ny farany volana febroary avokoa ny anaran’ireo tomondakan’ny ligim-paritry ny baolina kitra 22 eto Madagasikara.

Razafed Zanany

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT