Sport

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Hiditra amin’ny dingana faha-2 amin’ny alahady izao


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Tontosa tamin’ny alahady 20 janoary teo tao amin’ny kianjan’Andaboly Toliara tamin’ny alalan’ny fanatontosana ny andro faha-4 farany ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho

tompondakan’ny ligin’ny baolina kitran’Atsimo Andrefana 2018/2019 sokajy D – 1. Ny vokatra : Betioky  1 - 0 Fc Mitsinjo ; As Comato 0 -  0  Jfc ; As Besakoa  0 – 0 3Fb Toliara.

Ekipa 6 izany no tafita hiatrika ny dingana  faha-2 natao Vondrona tokana hilalao mandroso sy miverina  manomboka amin’ny alahady 27 janoary izao ka  ny ekipan’i Betioky izay hifanandrina amin’ireo ekipa 5 avy ao Toliara I : Jfc, 3Fb,  As Costem,  Impot Sport ary ny As Besakoa. Samy handray an’i Betioky tsirairay avy ao amin’ny kianjan’Andaboly izy 5 ireo ary hivahiny any Betioky tsirai   ray koa avy eo. Izay  ekipa tafavoaka 2 voalohany amin’io dingana faha-2 io no hiatrika ny lalao famaranana  hotontosaina ny 24 febroary 2019 izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT