Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana
Hiditra amin’ny dingana faha-2 amin’ny alahady izao
Tontosa tamin’ny alahady 20 janoary teo tao amin’ny kianjan’Andaboly Toliara tamin’ny alalan’ny fanatontosana ny andro faha-4 farany ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitran’Atsimo Andrefana 2018/2019 sokajy D – 1. Ny vokatra : Betioky 1 - 0 Fc Mitsinjo ; As Comato 0 - 0 Jfc ; As Besakoa 0 – 0 3Fb Toliara.
Ekipa 6 izany no tafita hiatrika ny dingana faha-2 natao Vondrona tokana hilalao mandroso sy miverina manomboka amin’ny alahady 27 janoary izao ka ny ekipan’i Betioky izay hifanandrina amin’ireo ekipa 5 avy ao Toliara I : Jfc, 3Fb, As Costem, Impot Sport ary ny As Besakoa. Samy handray an’i Betioky tsirairay avy ao amin’ny kianjan’Andaboly izy 5 ireo ary hivahiny any Betioky tsiraray koa avy eo. Izay ekipa tafavoaka 2 voalohany amin’io dingana faha-2 io no hiatrika ny lalao famaranana hotontosaina ny 24 febroary 2019 izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.