Sport

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Ekipa 10 no handray anjara amin’ny « Championnat ligue 1 »


  • Talata 08 Janoary 2019

Hotontosaina ao amin’ny kianja Maître Kira ao Andaboly Toliara amin’ny zoma 11 janoary 2019 ny fanokafana ofisialy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligue 1 ao amin’ny ligin’ny baolina kitran’Atsimo Andrefana.

 

 

Nambaran-dRandrianantenaina Régis filoha am-perinasan’ity ligy ity fa ekipa 10  avy ao Toliara I sy II ary avy any Sakaraha sy Bekily nozaraina ho vondrona 2 no handray anjara amin’izany fifaninanana izany (3Fb Toliara, As Comato, As Besakoa, Jfc, Impôt Sport, Costem, Fc Mitsinjo, Fc Betioky, Fc Sakaraha ary FC Ravel). Ny ekipa 3 voalohany avy ao amin’ny vondrona A sy B no hiatrika ny dingana faharoa amin’ny lalao mandroso sy miverina manomboka ny 01 febroary 2019 ka ny roa voalohany indray no hanao ny lalao famaranana amin’ny 26 febroary 2019. Nomarihan-dRandrianantenaina Régis fa efa vonona tanteraka ankehitriny ny kianjan’Andaboly handray ny fifaninanana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT