Sport

Ligin’ny baolina kitra any Bongolava Lany ho filoha Rakotonirina Mamonjisoa


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Ireo mpikambana 3 mianadahy ao amin’ny « Comité de Normalisation FMF » : Atallah Beatrice filoha sy Andriatinarivelo José filoha lefitra ary Benony

 

 

Jacques mpikambana, no nitarika ny AG Electif an’ny ligin’ny baolina kitra any Bongolava ka nifidianana izay ho filohany sy ho mpikambana ao amin’ny komitim-panatanterak’izany ligy izany, araka ny tolo-kevitry ny FIFA, tany Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra omaly alarobia 10 jolay 2019. Seksiona 2 mandrafitra ity ligy ity hatrany no nandatsa-bato tamin’ireo fifidianana roa ireo. Taorianan’ny fifidianana dia namoaka ny didy lah. 15/CN/19 Rtoa Atallah Beatrice izay nanambara fa : « Lany ho filoha vaovaon’ny ligin’ny baolina kitra any Bongolava Atoa Rakotonirina Mamonjisoa tamin’ny antsapaka natao rehefa nahazo isa nitovy 1-1 hatrany izy sy ny mpifanandrina taminy, Dr Rakotoarimino Andrianina Désiré nandritra ny latsa-bato in-3 miantoana nataon’ireo mpifidy mirahalahy. Ny vadin-tany nanatrika ny fifidianana no nandray ny vato natao antsapaka tamin’ny farany. Nambaran-dRtoa Atallah Beatrice koa fa lany ho mpikambana ao amin’ny komitim-panatanterak’ity ligy ity Atoa isany : Rafenoanjara Haridinasoa Elie, Ramanantoanina Andriasy, Randrianirinarivo Andrianimelson ary Razafimandimby Narivelo. Nifamihana am-pahibemaso ny kandida roa tonta ary nilaza tsy hametraka fitarainana ny resy dia i Dr Désiré fa niarahaba ny filoha vaovao ary nilaza ho vonona hifanampy hampandroso ny kitra any Bongolava. Izy koa dia efa nametraka ny maha-kandida CE FMF azy teny Isoraka. Afaka mandatsa-bato amin’ny fifidianana filohan’ny FMF sy CE FMF ho tontosaina any Toliara amin’ny 24 aogositra 2019 izao sy manolotra olona ho fidiana izany izao ny ligin’i Bongolava.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT