Sport

Ligin’ny baolina kitra any Atsimo Andrefana Efa vonona tanteraka handray ny fifidianana FMF vaovao


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Efa vonona tanteraka izahay mpitantana ny ligin’ny baolina kitra aty Atsimo Andrefana, hoy ny filohany Randrianantenaina Régis

 

 

tafaresaka nivantana an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana omaly alarobia 21 aogositra, handray  ny AGE hifidianana izay ho filoha vavaon’ny FMF sy ireo mpikambana handrafitra ny  komity mpanatanterak’izany rafitra  hitantana ny baolina kitra Malagasy izany mandritra ny 4 taona ho avy. Efa milamindamina avokoa ny pitsopitsony ilaina rehetra hanatanterahana  ny hetsika, hoy izy, ary efa eto an-toerana ihany koa ny sekretera jeneralin’ny “Comité de normalisation FMF”  hanampy sy hanome toromarika amin’izay tokony hatao rehetra. Efa vonona ny toerana handraisana an’ireo vahiny ao Ifaty hanatanterahana ny fifidianana ary efa azo antoka tsara ny fitandroana ny filaminana  aloha sy mandritra ary aorian’ny fanatanterahana ny fifidianana. Efa misy ireo solontenana ligy mpifidy izay akaiky an’i Toliara no efa tonga aty an-toerana omaly alarobia ary  maromaro no handrasana ho tonga anio alakamisy 22 aogositra 2019. Amin’ny ankapobeny dia efa vonona tanteraka izahay aty Atsimo Andrefana  amin’ny fandraisana ny hetsika manontolo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT