Sport

Ligin’ny Baolina kitra Anlamanga Efa vonona amin’ny fiatrehana ny fifaninanam-pirenena


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Na dia teo aza ny fihibohana ka nampijanona tanteraka ny fifaninana teto Madagasikara amin'ny taranja baolina kitra : ny "Pro League" ny "Ligue2" sns…

 

 dia tsy manana ahiahy ny ligin'Analamanga satria dia nahavita tanteraka ny fifaninana izy ireo ary efa miandry izay fitohizan'ny fifaninana eto Madagasikara, izany anefa dia miankina amin'ny fivoriana izay mbola ho tontosaina ny Federasiona amin'ity herinandro ity. Fa mahakasika izay fivorian'ny federasionina izay indrindra dia nanome ny heviny ny Filohan'ny ligin'Analamanga mahakasika ny fisafidianana ny orinasa izay hampiankanjo ny Barea manomboka izao. Tamin'izany ary no nanambaran'i Tôta Henintsoa filohan'ity ligy ity fa tsy mendrika ny ekipa nationaly malagasy intsony ny mpampiankajo tsy matihanina azy ireo satria dia efa manana ny toerana ambony eo anivon’ny sehatra Afrikana nyBarea ankehitriny ka mendrika tokoa raha mba zavatra avo lenta amin’izay no hampiakanjoana azy ireo. Raha ny hevitro ,hoy hatrany ity filohan'ny ligy Alfa ity dia aleo mijery izay tena efa fantatry ny maro no hisafidianana hiaraha-miasa. Mametra-panontaniana koa etsy ankilany izany i Tôta Henintsoa hoe : "rehefa inona no masi- mandidy eo amin’ny sehatry ny baolina kitra eto amintsika ireo filohan'ny Ligy ary rehefa inona no atao an-kilabao ? Ny zavatra toy ireny mantsy dia ny Fivoriambe « Assemblé General » no manapaka azy, hoy izy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT