Sport

Ligin’ny baolina kitra Analamanga Niavaka ny fanolorana an’ireo amboara tamin’ny sabotsy teo


  • Talata 22 Mey 2018

Ny lalaon’ny Cnaps Sport Tanà sy Elgeco Plus nirava tamin’ny 1- 1, tamin’ny sabotsy 19 mey teo tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, no namarana tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra Ligue 1 eto Analamanga ka nanolorana an’ity farany ny medaly volamena sy ny amboara maha-tompondaka 2018 azy tamin’izany niampy ny lelavola 1 tapitrisa ariary nomen’ny ligin’ny baolina kitra Analamanga.

 

 Notolorana ny medaly volafotsy kosa ny ekipan’ny As Adema nitana ny laharana faharoa. Nahazo ny medaly alimo fa nahazo ny laharana fahatelo ny Cosfa. Samy notolorana amboara manokana tsirairay avy kosa i Sambatra, Fosa Juniors Tanà, izay voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra ny fifaninanana, sy i Tojo, Tanà Formation, nampidi-baolina be indrindra (13 buts), i Hery Be  mpanazatra mendrika indrindra ary i Lovasoa sy i Dimby mpitsara voalohany sy mpitsara mpanampy mendrika indrindra. Niavaka ny famaranana an’ity hetsika fanolorana amboaran’ny ligin’Analamanga ity tamin’ny fanolorana “brochette parti” an’ireo tonga nanotrona tetsy Mahamasina notarihan’ny DRJS avy ao amin’ny ministera mpiahy sy ny Tale Teknikan’ny FMF ary mazava loatra ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra Analamanga.

Vokatr’ireo lalao rehetra tamin’ny andro faha-18 farany :

Tanà Formation 1 – 2 Cospn  ;   Cosfa 1 – 1 Fosa Juniors Tanà  ;   Uscafoot 0 – 1 As Adema   ;  Mama Fc 3 - 1Mi 20  ;  Elgeco Plus 1 – 1 Cnaps Sport Tanà

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT