Sport

Ligin’ny baolina kitra Analamanga Mbola ho kandidà indray i Tôta


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Ny 1-19 novambra izao no daty navoakan’ny komity mpanomana ny fifidianana eo anivon’ny taranja baolina kitra Malagasy fa hanatanterahana ny fifidianan’ny seksiona manerana ny nosy amin’ny taom-pilalaovana ho avy.

 

 Fantatra fa saika efa vita avokoa ny an’ireo seksiona 6 ao anatin’ny ligin’Analamanga. Ho an’ny seksiona baolina kitra Ambohidratrimo dia Atoa Randrianaivoarivony Jeannot no voafidy hitantana. Ho an’Atsimondrano dia Atoa Rabearivelo Solondrainy Edgard, ho an’Anjozorobe dia Atoa Rakotoarilala Fanomezana, ho an’Andramasina dia Atoa Randrianarison Raphael, ho an’i Manjakandriana dia Atoa Rakotomamonjy Maefasoa Miasa ary ho an’Antananarivo Renivohitra dia Atoa Raherimandimby Jean Serge. Sisa tavela ho an’ireo seksiona mandrafitra ity ligy ity dia ny seksiona Avaradrano izay fantatra fa hotontosaina amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Heno koa ankehitriny fa hifarana anio alatsinainy ny fametrahana ny antontan-taratasin’ireo izay haniry hitantana ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa mbola Atoa Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filoha am-perinasa, no efa nahavita.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT