Hetsika lehibe 3 niavaka tsara no indray nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra Analamanga tarihan-dRakotoarimanana Tôta filohany tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo.
Ny voalohany izay notontosaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny sabotsy 5 mey sy tany Carion tamin’ny alahady 6 mey dia ny andro faha-7 eo amin’ny fifaninanana Ligue 2 : Disciples 0 - 1 Five Fc ; Etoile Bleure 1 - 1 Fosa Juniors Espoir ; Elgeco Plus 1 – 1 Cffa (rava tsy lera) ; Tsy nisy kosa ny lalaon’ny As St Michel sy ny Ct Tfc ; Fc Talents 1 – 1 As Jet Mada.
Ny faharoa dia ny fanokafana ofisialy ny Orange kitra Inter-Instituts ‘kitra an’olona 6) notontosaina teny amin’ny kianja sentetique Andohalo. Ekipa 19 avy amin’ny fianarana ambony samihafa eto Antananarivo nosokajiana ao anatin’ny vondrona 4 no mandray anjara. Poule A : Aceem, Iscame, Itu, Espc. Poule B : Ifagi, Esd, Its, Isgie, Usm (Degs). Poule C : Ispam, Icame, Ium, Essca, Emedia. Poule D : Ist, Iscam, Cntmad, Imgam, Ufm. Vokatr’ireo lalao 8 voalohany natrehana : Aceem – Iscame (3-0) ; Itu – Espa (0-6) ; Ifagi – Esd (2-2) ; Its –Isgie (4-2) ; Isppm – Iscame (1-3) ; Essca – Ium (0-3) ; Ist –Iscame (0-2) ; Cntmad –Imgam (0-3).
Ary ny fahatelo dia ny andro faha-16 ny fifaninanana Ligue 1 notontosaina tany Carion sy tetsy Mahamasina ka nisongadinan’ny nandavoan’ny Uscafoot 7 – 0 ny Cospn ; Mi 20 Fc 0 – 1 Elgeco Plus ; Cosfa 3–1 Mama Fc ; Cnaps Sport Tanà 0 – 0 Tanà Formation ; As Adema 0 – 0 Fosa Junior Tanà.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.