Sport

Ligin’ny baolina kitra Amoron’i Mania Nanambara mazava fa hanohana ny kandidà Rasoamaromaka


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Hisaorana, hoy Atoa Randriantsoaniaina Nirilanto “Dona” filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania omaly tetsy Mahamasina, ny namoahan’ny “Comité de normalisation FMF”

 

 ofisialy ny lisitr’ireo kandidà hifaninana ho filohan’ny FMF vaovao sy ho mpikambana ao amin’ny CE miaraka aminy tamin’ny alatsinainy 23 jolay 2019 teo fa tena hiroso amin’ny fifidianana mpitantana vaovaon’ny baolina kitra Malagasy marina amin’izay isika atsy ho atsy  ka aty aminay ligy 22 ankehitriny ny baolina satria izahay no hifidy an’ireo mpitantana ireo. Manoloana ny resaka be loatra mandeha etsy sy eroa mikasika anay mpitantana ligin’ny baolina kitra eto Madagasikara ankehitriny anefa, hoy izy, dia manao  fanambarana mazava ny tenako fa izahay avy any Amoron’i Mania dia anisan’ny nanome Sonia ny kandidà Rasoamaromaka Herininiaina  hahazoany mirotsaka ho kandidà ary  manambara etoana koa manaraka izany fa dia vonona ny hanohana an’io kandidà io sy ireo CE miaraka aminy amin’ireo fifidianana hatrehana any Toliara ireo toa an’ireo ligy 8 hafa dia Atsimo Andrefana, Analamanga,  Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Bongolava, Atsimo Atsinanana, Menabe ary Vatovavy Fitovinany. Mazava araka izany ny lalan-kizorana ho anay 9 ireo, hoy i Dona, ka miangavy ny olona rehetra tsy an-kanavaka mba hanajanona ny antsoantso aty aminay amin’izay. Ambarako fa tsotra ny safidy hanohananay ny kandidà Rasoamaromaka Hery dia noho izy efa havanana amin’ny fitantanana baolina kitra ary efa nahavita zavatra teo amin’ny baolina kitra ka azo antoka fa hitondra fivoarana vaovao eo amin’ity taranja ity izy. 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT