Sport

Ligin’ny baolina kitra Amoron’i Mania Hanomboka rahampitso alahady izao ny taom-pilalaovana 2018


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Nambaran’ny filohany, Randriantsoaniaina Nirilanto dit Dona, nandalo teto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity fa hanomboka rahampitso alahady 11 martsa ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Amoron’i Mania sokajy D-1 eo amin’ny taranja baolina kitra.

Hifanindran-dalana amin’izany koa,  ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona 3 ao Amoron’i Mania (Ambositra, Fandriana ary Ambatofinandrahana). Aorian’io fifaninanana io dia hotanterahina koa ny fifaninanana U 15, U 17 ary ny sokajy Vehivavy. Ekipa 9 ihany tamin’ny ora farany no handray anjara amin’ity fifaninanana ity fa nitsoaka an-daharana tamin’ny ora farany.

 

Fandaharam-potoana amin’io andro voalohany io :

 

Beapombo Fandriana : 1:00-Boca Junior # Top Dom  ;  3:00-Fcaz # Sahamadio

Ankorombe Ambositra  : 2:00-Ai 200 # As 3 a

Ambodromisotra Ambatofinandrahana : 1:00-Fc Bemaha # Fc Real

 

Marihana fa ny 11 martsa sy ny 15 aprily 2018 no hanatanterahana an’ireo lalao mandroso sy miverina. Ny 22 aprily – 27 mey no hanatanterahana ny Poule des As triangulaire.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT