Sport

Ligin’ny baolina kitra Amoron’i Mania Hanomboka amin’ny janoary 2019 ny taom-pilalaovana vaovao


  • Talata 18 Desambra 2018

Nanatanteraka fivoriana nanaovan’izy ireo tatitra ny taom-pilalaovana 2018 avy ny seksiona 3 sy ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania tamin’ny faran’ny volana novambra lasa teo ary nahafantarana fa samy tontosa hatramin’ny farany avokoa ny fiadiana ny tompondakan’izy ireo tsirairay avy.

 

 

 

 Notapahina nandritra an’io fivoriana io fa hanomboka amin’ny volana janoary sy hitohy ny febroary 2019 ny taom-pilalaovana 2019 any amin’ity ligim-paritry ny baolina kitra ity. Ekipa 10 nozaraina ho vondrona 2 no hiatrika ny fifaninanana ka ny roa voalohany amin’ireo vondrona  no hihaona eo amin’ny lalao famaranana hahitana izay ekipa hisolotena an’ity ligy ity any amin’ny fifaninanam-pirenena. Nomarihan’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitran’Amoron’i Mania, Randriantsoaniaina Nirilanto « Dona », fa ho ao Ambositra avokoa no hanatanterahana an’ireo lalao amin’ity fiadiana ho tompondakany ity ka hisy ny fanamboaran’izy tenany ny kianjan’Akonabe amin’ny herin’ny tenany nefa tsy hosakanana ny fanampiana hataon’ireo malalatanana fa kianja hampiasain’ny rehetra amin’ny lafiny rehetra ity Akonabe, hoy  izy. Nisy fanolorana fitaovam-panatanjahantena nomen’ity filohan’ny ligy ity ho an’ireo seksiona 3 ireo toy ny baolina, Jeux de maillots, tableau de remplacement, sifflet sns… tamin’ny famaranana ny fotoana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT