Sport

Ligin’ny atletisma 6 any Atsimon’i Madagasikara Hikarakara ny « Meeting d’athletisme Grand Sud à Toliara »


  • Talata 03 Martsa 2020

Hikarakara hetsika « « Meeting d’athletisme Grand Sud à Toliara » hatao ao Toliara renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana amin’ny 14 sy 15 martsa 2020 ho avy izao ny ligim-paritra 6 ny atletisma any amin’ny Faritra Atsimon’ny nosy.

 

 

 Amin’ny sabotsy 14 martsa dia ny fifaninanana hazakazaka 100m, 200m, 400m, 1500m, 5000m ary ny fanipazana fonjamby sy vikin-dava « saut en Longueur » sokajy « toutes catégories »  no hotanterahina. Ny alahady 15 martsa 2020 kosa dia fifaninanana « cross de plage » 5km vavy sy 10 km lahy toutes catégories ihany no hotanterahina any Mangily. Fifandrimbonana mavitrik’ireo ligin’ny Atletisma amin’ny Faritra 6 any Atsimo no fototra hanatanterahana an’ity andiany voalohany ity dia ny avy any V7V, Ihorombe, Anosy, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Atsimo andrefana mpampiantrano ary hezahana hatao isan-taona ka hifandimbiasana ny fandraisana azy, hoy Atoa Depa Sakaraha CTR –n’ny ligin’atletisma any Atsimo Andrefana.

Ho fanomanana an’ity hetsika ity dia hikarakara manokana “Test” ho an’ireo mpihazakazaka ao aminy kosa ny ligin’ny atletisma Atsimo Andrefana hisafidianana an’ireo atleta hisolotena azy ireo amin’ny  alarobia faha-11 martsa 2020 ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT