Sport

Ligin’Analamanga Nampianarin’ny Sainte Anne ny CFFA Andoharanofotsy


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Miditra amin’ny andro fahatelo ankehitriny ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany, ho an’ity taom-pilalaovana 2023 ity.

Nisongadina ny fihaonana teo amin’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Sainte Anne Bongatsara izay notontosaina tetsy amin’ny kianjan’Ambohidratrimo satria dia azo lazaina ho nampianatra ny ekipan-dry prezida Tota teto ny boay kelin’i Bongatsara izay nandresy azy ireo tamin’ny isa mazava 3 noho 1. Ry zareo CFFA no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 11 tamin’ny alalan’i Boto. Nahita mangirana avy eo ny Sainte Anne taty amin’ny minitra faha 40 taty ka nanasahala ny isa tamin’ny alalan’i Mamy kely. Tsy nionona tamin’io isa io anefa ny bandy kelin’i Bongatsara fa mbola nanampy ny isa tamin’ny alalan’i Gros indray taty amin’ny minitra faha 60 sy 88 rehefa nifehy ny lalao amin’izay tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa na dia nanoloana ny andrarezin’ny ekipan’ny kaominin’Andoharanofotsy aza ka nahatonga ny isa teny amin’ny solaitrabe hijanona ho 3 ho an’ny Sainte Anne ary tokana monja ho an’Andoharanofotsy nandritr’ity andro fahatelon’ny ligin’Analamanga ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT