Sport

Ligin ‘i Bongolava Notolorana amboara omaly ny Ajesaia na eo aza ny fitoriana


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Tontosa omaly alahady 17 febroary 2019 tao amin’ny kianjan’i Tsiroanomandidy ny andro farany teo amin’ny lalao Poule des As tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitran’i Bongolava sokajy D-1 ka nahazoana ny vokatra :

 

 As Andry -  Fc Miray Bevato (6-1) ary ny lalao ny Ajesaia - Bel’Air (7-0). Nambaran’ny ligin’i Bongolava fa voahosotra ho tompondakany taona 2018 ka notolorana amboara sy medaly volamena tao Tsiroanomandidy omaly alahady 17 febroary 2019 ny ekipan’ny Ajesaia na dia teo aza ny « réserve de qualification » nataon’ny As Andry sy ny Fc Miray Bevato tamin’ity poule des As ity noho ny raharaha Rajoarimanana Avotriniaina Yvan nampilalaovin’ny Ajesaia nefa tsy mazava ny taratasy fifindrany ho ao amin’ity klioba ity. Nosaziana tsy nahazo nandray anjara tamin’ny fifaninanana intsony i Yvan mandra-piandry  ny taratasy “Cetificat transfert international” avy any La Réunion hahazoany milalao eto Madagasikara indray, hoy ny ligin’i Bongolava. Mbola manjavozavo, araka izany, ny amin’ity tompondakan’i Bongolava ity na dia nandresy hatrany aza ny Ajesaia teo amin’ny “poule des As”.                                                                                                                                                                    

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT