Sport

Ligim-paritry ny baolina kitra Malagasy Notoloran’ny Ong Friends Of Madagascar fitaovana an-tapitrisany


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Nikaroka mpiara-miombon'antoka ny “Commission Foot-Ball de jeune” ao amin’ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra”

 

 

ka nahita ny ONG FRIENDS OF MADAGASCAR izay manana ny foibeny any Eoropa. Tonga nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena momba ny baolina kitra mitetim-bidy an-tampitrisany maro (ballon de foot, maillot, faux bas, short... ) nivantana teny amin’ny Mining Business Center Ivato ity fikambanana ity tamin’ny talata 28 janoary teo ka ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Melaky notronin’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy sy ny filohan’ny FMF no nandray nivantana an’ireo fitaovana ireo. Santatra am-bavarano ihany ireto fitaovana natolotra ireto, hoy Atoa Gomes Kapila avy amin’ny Friends of Madagascar, nanolotra ny fitaovana ka ireo ligim-paritry ny baolina kitra  somary lavitra andriana no misitraka voalohany an’ireto fitaovana ireto toy ny any  Androy, Anosy, SAVA, Melaky ary DIANA. Ho tonga tsy ho ela ihany koa ny an'ireo ligim-paritry ny baolina kitra ambiny atsy ho atsy raha ny fampanantenana nataon'ny tompon'andraikitry ny Ong Friends Of Madagascar.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT