Sport

Ligim-paritry ny baolina kitra Atsinanana Tompondaka 2020 ny As Fortior Toamasina


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Voahosotra ho tompondaka rejioanalin’ny baolina kitra Diviziona voalohany any amin’ny ligin’ny baolina kitra

 

 

 

Atsinanana ny AS Fortior Toamasina notarihan’ny mpanazatrany, Mamonjy, rehefa nandavo ny ekipan’ny Ascoimi Mahanoro 2-1 tao amin’ny kianjan’i Barikadimy tamin’ny alahady 16 febroary 2020 lasa teo. Voahosotra ho mpilalao mendriky ny fifaninanana manontolo i Benji mpilalaon’ny As Fortior Toamasina. Mpamono baolina betsaka kosa i Franck mpilalaon’ny Ascoimi Mahanoro nahatafiditra baolina 6. Voahosotra ho mpiandry harato mendrika indrindra kosa i Gomez mpiandry haraton’ny Fc Brickaville ary notolorana amboara manokana i Christian avy amin’ny As Fortior amin’ny maha mpilalao zokiny indrindra azy tamin’ny fifaninanana fa efa maherin’ny 40  taona ny lehilahy.

Taorian’ny fanolorana an’ireo amboara rehetra ireo dia nanolotra lelavola nitentina 300.000 ar tsirairay avy ho an’ireo klioba 4 nanao lalao famaranana ny LFA “Ligin’ny baolina kitra Atsinanana” notarihan’ny filohany, Andry Marcel, satria nisy talohan’io famaranana rejionaly io ny famaranana ny “Intersection” nifanandrinan’ny Fcb Brickaville sy ny Olympic de Foulpointe ka nivoahan’ity farany ho mpandresy tamin’ny “tirs au but” 4-2  tamin’izany. Velom-pisaorana ny rehetra ihany koa ity filohan’ny ligin’Atsinanana ity tamin’ny fanatontosana niaraka an’ireo famaranana ireo, indrindra ny SPAT nanolotra an’ireo amboara rehetra. Marihana fa ny fifaninanana Telma Coupe de Madagascar sy ny Thb Champion’s League ary ny “Coupe de la ligue » no hifandimby horaisin-dry zareo any Toamasina manomboka amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.

 

Ntsoavina Evariste

 


Fina

OM FOULPOINTE CHAMPION
TIRS AU BUT : 4 à 2 contre FC
intersection
OM FOULPOINTE CHAMPION
TIRS AU BUT : 4 à 2 contre FC BRICKAVILLE

 

Finale intersectionOM FOULPOINTE CHAMPION
TIRS AU BUT : 4 à 2 contre FC BRICKAVILLE

Finale intersection
OM FOULPOINTE CHAMPION
TIRS AU BUT : 4 à 2 contre FC BRICKAVILLE

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT