Sport

« Le Roi Lion Sécurité » Tapa-kevitra hiady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Mitsangana ara-panjakana rehefa nahazo fankatoavana tamin’ny « Préfet de police Antananarivo » ny Sté Le Roi Lion Sécurité tarihan’ny filohany Mamihafatra.

Hanome asa an’ireo tanora tsy an’asa tsy ankanavaka eto amintsika no tanjon’ity orinasa ity, hoy ity filohany ity, nefa ho laharam-pahamehana amin’izany ireo tanora mpanao rugby sy ireo olona nahavita ny fanompoam-pirenena ka manana ny « Certificat de bonne conduite » mazava. Famaliana ny antson’ny fanjakana hiady amin’ny tsy fandriampahalemana no antom-pisianay ka fiarovana ny olona mivarotra eny an-tsena sy mpividy mandeha an-dalambe no hatao amin’izany, hoy ihany Atoa Mamihafatra. Eto amin’ny tsenan’Analakely no hanombohana ny asa dia hitarina eny amin’ny tsena rehetra eto an-drenivohitra avy eo ary mbola hapariaka any amin’ny Faritra ihany koa. Tsy manao « Gardiennage » na mitondra entana ny Sté Le Roi Lion fa miaro ny ain’olona sy misambotra ireo olon-dratsy eny an-tsena ka hatolotra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana izay tratra (matotra ny fiaraha-misa amin’ny zandary sy polisy). Ny « Droit de sécurité » halaina amin’ireo mpivarotra isan’andro, 500 ar any anaty trano ary 300 ar ety ivelany no hoentin’ny Sté Le Roi Lion Sécurité miasa. Mpiasa miisa 25 lahy no manao andrana mandritra ny herinandro nanomboka ny talata 07 aogositra teo eny amin’ny tsenan’Analakely ka mbola tsy naka ny “Droit de sécurité” akory izy ireo amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT