Lavon’ny Barea 2-0 i Centrafrique

Mbola mila mandavo an’i Burkina Faso…


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

Miakatra ny fanantenana na mbola mafy aza ny miandry ny Barea CHAN.

Nibata ny fandresena voalohany ny ekipam-pirenena izay miatrika ny CHAN 2024 (Championnats d’Afrique des Nations) 2024 tanterahana any Tanzanie, rehefa nandavo 2-0 ny Repoblikan’i Centrafrique omaly. Nanatombo tamin’ny lafiny rehetra isika na teo amin’ny fifehezam-baolina (57%-43%) na tamin’ny tifitra izay 18 ka 8 « cadrés » raha 13 kosa ny an’ny mpifanadrina izay 4 monja no « cadrés), fahadisoana 8 monja ny antsika raha 24 ny an’ny mpifanandrina. Samy nahita fanafihana tsara fa isika no nanatombo. Azo lazaina ho niady ihany ny lalao satria dia efa tany amin’ny faha-84 minitra i Toky Rakotondraibe no nanokatra ny isa tamin’ny daka mahery vaika. Tsy niandry ela, fa tamin’ny 90ᵉ+4, dia Lalaina Rafanomezantsoa nanamafy ny fandresena ho an’ny Ekipa tarihin’i Romual Rakotondraibe. Isan’ny niady mafy ihany koa anefa ny mpiandry harantontsika Toldo izay nanavotra baolina tena sarotra maro, antony nahavoahosotra azy ho « homme du match » sy ny fanasokajiana azy ho isan’ny mpiandry harato mamiratra any amin’ny CHAN. Ity vokatra ity dia manome aina vaovao ho an’ny ekipam-pirenena Barea amin’ny hazakazaka ho amin’ny fidirana amin’ny dingana manaraka. Mbola mafy anefa ny ady satria mitana ny laharana faha-3 isika hatreto, ka mila mandresy an’i Burkina Faso ny sabotsy izao hahafahana miakatra miady ny laharana faharoa hiakarana amin’ny ampahefa-dàlana. Isika izay tsiahivina fa voatazon’i Mauritanie 0-0 raha resin’i Tanzanie 2-1. Tsara ny fandresena teo, fa mbola betsaka ihany koa ny lesoka mila harenina, toy ny tsy fahatokisan-tena amin’ny famonoam-baolina, ny tsy fahampian’ny hazakazaka matetika ho an’ny mpanafika,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT