Laura Rasoanaivo

Tanjona ny tapakilan’ny lalaon’ny Nosy


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Mba ahafahana manomana tsara ny dingana hahazoana ny tapakilan’ny

Lalao olaimpika hatao any Paris, dia niazo an’i Lafrantsa i Laura Rasoanaivo, mpanao judo Malagasy. Handray anjara amin’ny « Grand Slam » hatao ny 03 febroary izao, ary hatrika ihany koa ny « Training camp international » karakarain’ny Federasionina Frantsay eo amin’ny taranja judo. Fifaninana maro no miandry ity mpiangaly judo Malagasy ity mialohan’ny lalaon’ny Olaimpika. Handray anjara amin’ny Lalao Afrikanina hatao ny volana martsa iao, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy seniors ny volany aprily. Manantena ny tenany fa manomboka izao mandra-pahatongan’ny fifanaranan’ny fiadiana ny tapakila amin’ny volana jona, dia ho azony izany tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny lalao olaimpika any Paris izany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT