Lasan’i Rodri ny « Ballon d’or 2024 »

Tsy nanatrika ny lanonana ny Real de Madrid


  • Talata 29 Oktobra 2024

Rodrigo Hernández Bibula Cascante na Rodri, ilay mpilalao espaniola 28 taona milalao ao amin’ny Manchester United

no nibata ny « Ballon d’or 2024 », amboara omen’ny France Football isan-taona miainga amin’ny fifidianana ataon’ny mpanao gazety iray avy avy amin’ny firenena 100 voalohany amin’ny filaharan’ny Fifa. Mpilalao mendrika indrindra nandritra ny « Euro 2024 » teo nobatain’i Espagne i Rodri izay irakiraka afovoany voasokajy ho isan’ny tsara indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny, nibata ny tompondakan’i Angleterre niaraka tamin’ny Manchester City, nahazo ny « ballon d’or » tamin’ny « coupe du monde des clubs, namono baolina 9 sy « passes décisives » 14 tao anatin’ny taom-pilalaovana 2023-2024 ho an’i Mancherster City, ary 3 ho an’i Espagne,... Mbola nitondra beki moa i Rodri omaly noho ny ratra nahazo azy. Teo amin’ny laharana faharoa kosa i Vinicius JR, fahatelo i Jude Bellingham, fahaefatra i Daniel Carvajal, fahadimy i Halland, fahaenina i Mbappé, ary faha-7 i Lutaro Martinez. Nazava ho azy kosa ny làlana ho an’i Lamine Yamal tamin’ny fibatana ny amboara amin’ny mpilalao tanora mendrika indrindra nahazo ny « Copa Trophy winner 2024». Nahazo ny « Gerd Müller Trophy » na mpamono baolina be indrindra kosa i Harry Kane sy Kylian Mbappé, saingy tsy tonga ity farany sy ny kliobany. Omaly tolakandro no efa niporitsaka ny feo fa i Rodri no hibata ny « ballon d’or » fa tsy i Vinicius JR, heverina ho antony nanafoanan’ny delegasionin’ny Real de Madrid ny diany ka tsy nanatrika ny lanonana tany Paris. Ny Real de Madrid izay nibata ny « ligue des champions » farany teo anefa no nahazo ny amboara ho klioba mendrika indrindra ho an’ny lehilahy, ary ny mpanazatra Carlo Ancelotti no voahosotra ho mpanazatra mendrika indrindra. Voatazon’ny FC Barcelone hatrany kosa izany ho an’ny vehivavy, ary mbola ilay mpilalaony dia i Aitama Bonmati hatrany no nibata ny «ballon d’or » ho an’ny vehivavy. Mpiandry harato mendrika indrindra nahazo ny « Yachine Trophy » ilay Argentin Emiliano Martinez mpilalaon’ny Aston Villa izay efa nahazo izany efa nahazo izany tamin’ny taon-dasa, tompon-daka eran-tany 2022 sy nibata ny Copa America 2024 i Argentine.
Toky R

 Tsiahivina, fa nanomboka ny taona 1956 namoronana ny « coupe d’Europe » ny « ballon d’or » ka i ilay Liberianina George Weah no hany Afrikanina nibata izany hatreto.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT