Sport

Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina Maimaim-poana ny fidirana mandritra ny lalao CCOI Handball


  • Talata 27 Novambra 2018

Miditra eo amin’ny andro faha-4 anio talata 27 novambra 2018 ny fifaninana iraisam-pirenena CCOI « Fiadiana ny Amboaran’i Afrika eo amin’ireo Ekipa tompondaka lahy sy vavy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana 2018) taranja

 

 

Handball izay tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina nanomboka tamin’ny sabotsy 24 novambra 2018 teo. Marihana fa fanararaotana hoan’ireo mbola tsy nijery hetsika tao amin’ity Lapan’ny Fanatanhantena Mahamasina ity satri ho Bojo « Maimaim-poana » hatrany toy ny mahazatra na aiza na aiza toerana hanatanterahana azy ny lalao CCOI amin’ny ankapobeny. Mivoha midanadana hoan’izay rehetra mandalo eto araka izany ny vavahadin’ity Palais des Sports etsy Mahamasina ity hatramin’ny sabotsy 01 desambra izao.

Fandaharan-dalao anio talata 27 novambra 2018 :

F  10:30-Tamponnaise (La Réunion) # Boueni (Mayotte)

F  11:45-Thbc (Madagascar) # Jsb (La Réunion)

F  13:00-As Tsiky (Madagascar) # Cap Sister (Mayotte)

M 14:15-Vacoas (Maurice) # As St Michel (Madagascar)

M 15:30-Château Morange (La Réunion) # Durantha (Seychelles)

M 17 :00-St Pierre Hbc (La Réunion) # Cosfa (Madagascar)

Voka-dalao azo teo amin’ny andro faha-3  omaly alatsinainy :

Jsb 14 – 26 Boueni (F)  ;  Cap Sister 11  - 27 Boueni (F)  ; As Tsiky 14 -18 Thbc  (F)  ;  Durantha 16 – 49 St Pierre Hbc  ; Vacoas  -  Cosfa  ;  As St Michel   -   Tsingoni.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT