Sport

Lalatiana Rakotondrazafy “Lafo loatra ny fisitrahana ny CAN amin’ny TVM…”


  • Alarobia 12 Janoary 2022

Mitady vahaolana handefasana ny lalao CAN 2022, amin'ny haino amanjerim-pirenena Malagasy ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'izao fotoana izao,

 hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nambara fa mitentina maherin'ny 2 lavitrisa ariary ny vidin'ny fahafahana mandefa ny lalaon'ny CAN. "Efa nisy ny ady varotra natao tamin'ny Union Africaine des Radios na ny UAR, ka maherin'ny 1 miliara ariary no farany azony nekena" , hoy izy. “Tsiahivina fa ity sehatra afrikana ity irery ihany no manana fahazoan-dalana mivarotra izay fahafahana mandefa ny lalao izay”, hoy hatrany ny fanazavana. Noho izany, ''tsy hiroso amin'ny fandoavana io lelavola io ny minisitera, indrindra ao anatin'izao vanimpotoan'ny fahasahiranana vokatry ny Covid-19 izao'', hoy ny Minisitry ny serasera. Nohamafisiny kosa fa mitady vahaolana hafa ny minisitera, ahafahana mandefa mivantana izany. Anisan'izany ohatra ny fifanarahana amin'ireo haino aman-jery any ivelany nahazo ny fahafahana mandefa ny lalao. Eo koa ny mety ahazoana mandefa izany any amin'ny ampahavalon-dalana na ampahefa-dalana. Hatramin’izay na sahirana ny firenena na tsy sahirana, na nanam-bola na tsy nanana, dia afaka nisitraka ny lalao rehetra tamin’ny CAN nisy ny Malagasy, afaka nojerena tamin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Ankehitriny, amin’izao andron’ny Fanjakana tompondakan’ny “werawera” sy ny sekoseho ary ny kisehoseho ivelany izao indray no tsy afaka misitraka izany. Tsy te hahalala izay olana any ny olona, fa ny fantany dia hatramin’izay afaka nahita CAN milamina tsara ny rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT